Ny tontolon’ny fanabeazana sy ny sehatry ny asa no tena anjakan’ io tranga io eto Madagasakira, raha ny fanadihadiana nataon’ny sehatra maro samihafa. Maro amin’ ireo olona iharan’ io tranga io no tsy mahafantatra fa kolikoly ara-nofo izany.
Manjaka betsaka any amin’ireo sekoly sy oniversite eto Madagasikara ny kolikoly ara-nofo, raha ny fanadihadiana nataon’ ny Bianco, tamin’ny taona 2018. Niharan’ny kolikoly ara-nofo na vavolombelona tamin’ ny tranga avokoa ny 33% amin’ ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly sy ny oniversite, raha ny fanadihadiana nataon’ny Transprency International-Initiative Madagascar (TI-MG), teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2022. 2 403 ny olona nilaza fa efa niaina sy nanatri-maso ny trangana kolikoly ara-nofo tamin’ireo 8 501, nanaovana fanadihadiana. Izay tamin’ny faritra Analamanga, Atsinanana, Diana, Boeny ary Atsimo Andrefana. Ny faritra Diana no nahitana taha ambony indrindra tamin’ireo faritra ireo.
31% amin’ny trangana kolikoly ara-nofo hita eny amin’ ny anjerimanontolo. Tsy dia miverimberina loatra ny tranga eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra.
“Anisan’ny mahasarotra ny ady atao amin’ny kolikoly ara-nofo ny habetsahan’ny tahotra sy ny ahiahin’ny olona mampahafantatra sy mitoroka ny tranga misy”, hoy Razafimandimby Tsiry, mpitantsoratra mpanantanteraka eo anivon’ ny Comité pour la sauvegarde de l’intégrité (CSI). Eo ihany koa ny kolontsaina eto amin’ ny firenena. Nilaza izy fa mbola mamohafady ny resaka fananahana sy ny firaisana ara-nofo na dia iharan’ny kolikoly ara-nofo aza ilay olona.
Nohamafisiny fa tsy maintsy jerena avokoa ireo sakana rehetra ireo satria eto Madagasikara ny ady atao. Tsy maintsy am-pifanarahana ny kolontsaina malagasy sy ny zava-misy eto amin’ny firenena na ny rijan-teny anatin’ ny lalàna famaizana eto amin’ ny firenena.
Tetikasa famolavolana lalàna
Tsy mbola voarakitra ao anaty fehezan-dalàna fanasaziana eto Madagasikara ny kolikoly ara-nofo amin’izao fotoana izao. Maro ny lalàna misy fa mbola hitambarana sy mifototra amin’ny herisetra ara-pananahana sy ny « droit pénal » avokoa izany. Noho izany, miroso amin’ny famolavolana lalàna vaovao hiadina amin’io kolikoly ara-nofo eto Madagasikara io ny eo anivon’ ny Comité pour la sauvegarde de l’intégrité (CSI) sy ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa. Anisan’izany, ny Bianco, Pac, minisiteran’ny Fitsarana, Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Fanabeazam-pirenena, zandarimariam-pirenena, polisim-pirenena ary ny fiarahamonim-pirenena maro samihafa.
Nisy ny hetsika nokarakain’ izy ireo tetsy Antaninarenina, omaly. Hamolavolana io rijan-tenin-dalàna mahakasika ny famaizana momba ny kolikoly ara-nofo eto Madagasikara io. Nilaza izy ireo fa heverina hatao anatin’io lalàna io ny sazin’ireo mpanao kolikoly ara-nofo. Eo koa ny fanomezana antoka sy fandraisana an-tanana ireo niharan’ny tranga. Tanjona ny hahasahin’ izy ireo hitory sy hitoroka. Ankoatra izay, entanina sy beazina ary ampahafantarina ny olom-pirenena mba hahay hitoroka. “Ezaka fampandraisan’anjara sy andraikitra ireo sehatra rehetra misy eto amin’ ny firenena”, hoy izy ireo.
Fampiasana tambiny ara-nofo
Fampiasana ny firaisana ara-nofo ho tambiny na ho toy ny fifampiraharahana amin’ny fanaovana izany ny atao hoe kolikoly ara-nofo amin’ny ankapobeny. Misandrahaka amin’ ny lafiny samihafa izany. Tsy eny amin’ny sehatry ny fanabeazana irery fa eny anivon’ny asa sy ny tsenam-barotra iraisam-pirenena ihany koa. Toy ny fampiasana ny andraikitra amin’ny asa izay sahanina, ikatsahana tombontsoa ara-nofo. Ny fanaovana tambiny ara-nofo amin’ny andraikitra ahazoana asa. Amin’ny sehatra fandraisana mpiasa, amin’ ny sehatry ny fisondrotana “grade” na ny “promotion canapé”. Raha misy olona iray hiditra hiasa nefa tsy manana fahaizana sy tsy mahafeno ny fepetra takina amin’izany dia tratry ny fakam-panahy hanao izany. Na ireo te ahazo naoty tsara any am-pianarana.
Miteraka voka-dratsy goavana ny fisian’io tranga io. Misy fiantraikany lehibe any amin’ny fandrosoan’ny firenena sy ny sain’ny olona niharan’izany, ka antony hiadivana aminy. Simba ihany koa ny sehatry ny fanabeazana sy ny tontolon’ ny asa.
Rasoavina Fy, Nandresy tamin’ny fifaninana
Nisy ihany koa ny fifaninana nokarakarain’izy ireo mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ara-nofo. Rasoavina Fy, tovovavy malagasy no nandresy tamin’izany. Nisafidy ny hanao fanentanana amin’ny fanaovana “slam-poesie” izy. Entina hanabeazana sy hanentanana ny olom-pirenena hahasahy hitoroka ny tranga na kolikoly ara-nofo izy. “Nahatonga ahy nandray anjara tamin’ny ady amin’ny kolikoly ara-nofo ny fahafantarana fa betsaka ireo tanora iharan’io tranga io nefa tsy mahasahy mitoroka ny olona nanao izany taminy”, hoy Rasoavina Fy. Efa betsaka ny sehatra azo atonina raha misy iharan’ny kolikoly ara-nofo. “Sahia mitoroka ny kolikoly ara-nofo”, ny teny manentana nataony.
Mino