SOMBIM-BAOVAO

Afaka sivy andro, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taranja tenisy. Hotanterahina ny 27 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ao amin’ny Club Olympique de Tananarive (COT), Ankadikely Ilafy. Tsiahivina fa handrafitra ny ekipam-pirenena Akomba de Madagascar izay tompondaka eo.

Notanterahina omaly, ny fihaonana teo amin’ny Golden State sy ny Oklahoma City, amin’ny fifanina­nana “NBA 2024”, taranja basikety. Lavon’ny Oklahoma tamin’ny isa 128 no ho 109 ny Golden State. Marihina fa tsy afaka nilalao tamin’io fifanandrinan’ny roa tonta io ilay amerikanina mpilalao basikety, Stephen Curry.

Handray anjara amin’ny « Forum Africain du Mini-basket », hotanterahina any Tanzania, ny 23 hatramin’ny 25 novambra izao ny Federasiona malagasin’ny basikety, araka ny nambaran’ny kaomisiona malagasin’ny Mini-basket, Rakotoarisoa Andry Andriamampiandra. Ankizy manodidina ny 400 sy mpanazatra 70 manerana an’i Afrika no hiatrika ity “forum” ity.

Nahatafiditra baolina roa i Luiz Diaz, Kaolaom­bianina mpilalao baolina kitra raha nihaona tamin’i Brésil. Nandresy tamin’ny isa 2 no ho 1, i Colombie tamin’ io lalao natao ny alakamisy lasa teo io. Notoloran’i Luiz Diaz, ho an’ny dadany ireo baolina roa nampidiriny ireo. Ity raim-pianakaviana ity, izay vao avy tafavoaka tamin’ny “kidnapping”.

Partager sur: