TARATRY ny KANTO

«Malagasy mankany», etsy amin’ny IKM Antsahavola. Halefa anio indray, manomboka amin’ ny roa ora ity sarimihetsika malagasy notontosain’i Hamy Ratovo ity. Arahina adihevitra izany, hotarihin’i Aina Randrianatoandro, mpankafy sy mpitsikera sarimihe­tsika. Ho avy eo, hamaly ny fanontanian’izay liana amin’izany koa ny mpanatontosa.
«Maimbo Olombelona». Ny angano «Maimbo Olombelona» sy ny kilalao «Trimobe», indray no handravaka ny Tranomboky monisipaly Analakely, amin’ ity anio ity. Ankoatra ny fitantarana angano. Ham­piavaka ity anio ity ny fampahafantarana ny kilalao “Trimobe”, izay kilalao natao ho an’ny olona miaraka.
“Ça claque”. Eny amin’ny Aft Andavamamba indray no mifanome fotoana ny mpankafy «Slam Poèsie», ao anatin’ny hetsika “ça claque”. Raha tsiahivina, hetsika karakarain’ny fikambanana Madagaslam, ho fanomezana sehatra ny vao misandratra ao ana­tin’ity taranja ity izao hetsika izao.
“Hasambarana iray felantanana”. Tante­rahina anio, eny amin’ny Ivokolo Analakely, ny seho teatraly “Hasambarana iray felantanana”, iarahana amin’i Nirihaja sy Volivolana. Seho miavaka no omanin’ny Halo project ny mpankafy. Ankoatra ny teatra. Hisy ihany koa ny “Halo”, amboaran’angano sy hira.

Partager sur: