Tetikasa Purpa : mahatratra 4,15 t/ha ny voka-bary

Nivory ny 15 novambra teo ny mpikambana ao anatin’ny Filankevitra mpandrindra ny paikady ho an’ny Tetikasa maika, hanamafisana ny vokatra ara-tsakafo (Purpa). Nan­katoavina ny Drafitry ny tetibola hoenti-miasa (PTBA) ho an’ny taona 2024.
Tanjon’ny tetikasa ny ham­piakarana ny vokatra sy ny famokarana, mamaly ny filan’ireo orinasa famokaran’ny fianakaviana tantsaha (EAF), sokajy faharoa. Misitraka izany ny tantsaha manana velarantany ambolena latsaky ny 3 000 m2 (30 ara), sady afaka mandoa fandraisana anjara ny 10% amin’ny tohana omen’ny Purpa, mahazo masomboly sy zezika.
Niisa 18 528 ny mpamboly vary an-drano nisitraka ny tetikasa “Purpa” ny taom-pamokarana 2022-2023, ka nahatratra 4,15 t/ha ny salanisan’ny vokatra. Niisa 3 561 kosa ireo mpamboly vary an-tanety, nahazo vokatra 2,09t/ha.

Soja sy voanjo
Ankoatra ny vary, miisa 2 003 ny mpamboly soja nis­itraka ny tetikasa, nahazoana vokatra 1,66 t/ha. Nahazo voanjo 1,11 t/ha kosa ny mpamboly niisa 1 550.

Ampiasain’ny tetikasa “Purpa” ny teknolojia niomerika amin’ny fanohanana sy ny fikirakirana ny antontam-baovao ho an’ny tantsaha toha­nana. Nozarana karatra niomerika tsirairay ny tantsaha, sady misy ny fiaraha-miasa amin’ireo magazay mpivarotra masomboly sy/na zezika. Manampy ireo, miisa 235 ny toerana sekoly taninketsa andrana ho an’ny tantsaha natsangana tamin’ity taona 2023 ity, manerana ny faritra 20. Vehivavy ny 38% amin’ ireo nisitraka ny Purpa.

Njaka A.

Partager sur: