Tovolahy iray mpanarato vao 17 taona namoy ny ainy natelin’ny ranomasina tao Toamasina, afakomaly. Roa lahy tsy handeha hanarato fa hamindra lakana fampiasan’izy ireo eo akaikin’ny lycée Jacques Rabemananjara. Voalaza fa hafindra toerana eo akaikin’ny hopitaly io lakana io. Vaky tampoka anefa ny lakana tamin’io fotoana io. Vokany, samy nilentika teny an-dranomasina izy roa lahy. Ny iray niezaka nilomano ka avotra soa aman-tsara. Izy indray no nampandre ny fokonolona ka samy nirohotra an-tsehatra nanao ny fikarohana ny rehetra. Nifanome tanana nanao izay ho afany ny fokonolona tamin’ny fikarohana. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva hitan’ny fokonolona ihany ilay tovolahy rendrika an-dranomasina. Nentina haingana teny amin’ny Hopitalibe Toamasina saingy efa tsy avotra intsony ny ainy. Toerana matetika ahitana olona rendrika an-dranomasina ny eo amin’ny manodidina ny lycée Rabemananjara. Araka ny filazan’ireo tompon-tany, misy fadiny eo amin’ity toerana ity. Efa nomena ny fianakaviana ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera.
Sajo/J.C