Naratra mafy novelesim-badiny tavoahangy ny renim-pianakaviana iray teny Andavamamba Anjezika I, omaly tolakandro. Resaka fifidianana no nitarika ny
adin’ireto mpivady ireto. Samy nanana ny kandidà notohanany izy ireo, ka tsy zakan’ilay raim-pianakaviana ny nisafidianam-badiny ny kandidà iray. Nampiakatra ny hatezerany izany ka raikitra ny fifamaliana. Niafara
tamin’ny vono sy ratra anefa izany.
Nosakanan’ny dahalo valo lahy nitam-basy ny taksibrosy iray mampitohy an’i Mahabo sy Sarognala, ao amin’ny distrikan’i Mahabo, afakomaly. Nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ny mpamily ny fiara, tamin’ny 11 ora atoandro. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo ka avotra io mpamily io.
Jiolahy raindahiny voasambotry ny mpitandro filaminana tao Andohanilakaka, afakomaly. Nahatrarana basy vita gasy iray sy bala roa niampy ody ratsy teny amin’io mpamaky trano io. Nikasa handroba tao amin’ny tsena izy izao noraisim-potsiny izao.
Naiditra am-ponja ilay lehilahy tratra nihazona an-keriny zazavavy 14 taona tao Valpinson, afakomaly. Voasambotry ny polisin’ny FIP io lehilahy io, ny alatsinainy 13 novambra teo. Nentina natao famotorana izy ka niaiky heloka ary izao niafara amin’ny fihazonana am-ponja vonjimaika izao.