VAOVAO TAMBATRA

Miisa 34 ireo orinasa nahazo fahazoan-dalana hanondrana jirofo ho amin’ny taom-panondranana 2023-2024 sy 2024-2025, ao amin’ny sokajy indostrialy. Tsara ny vokatra tamin’ity taom-pamokarana ity, takafatra 40 000t ny vokatra naondran’i Madagasikara raha toa ka 25 000t teo aloha. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ihany koa ny vola azo tamin’izany.
Mampiofana ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, any Faratsiho, ny fitantanam-paritry ny Jono Vakinankaratra. Hatao ny 27 novambra ho avy izao izany sady maimaimpoana. Anisan’ny ampianarina koa ny famokarana zanatrondro sy ny sakafon-trondro. Ao amin’ny biraon’ny distrika sy ny fitantanam-paritry ny fisoratana anarana.
Mitentina 800 000 000 Ar ny tetibola avy ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, hafindra any amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. Ho ampiasain’ny Antokon-draharaha miandraikitra ny fisorohana ny tondradrano eny amin’ny lemak’Antananarivo (Apipa) io vola io.
Fampiasana angovo azo avaozina sy ny fifaninanana amin’ny fitrandrahana ireo singa ilaina ampiasaina amin’izany. Ireo no voaresaka nandritra ny «Voice Of Global South Summit» (VOGSS) andiany faharoa, niarahan’ireo minisitra aty amin’ny ilabolan-tany Atsimo sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.

Partager sur: