Volley – Ligin’Analamanga : hotohanan’ny Airtel ara-bola sy ara-pitaovana

Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, ny 25 novambra izao, ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Analamanga, Volley-ball. Ho fanombohana izany, vaovao tsara avy hatrany no hisan­taran’ny ligy ny taona satria nahazo mpanohana izy ireo. Notanterahina omaly, tetsy Alarobia, foiben-toeran’ny Airtel Madagascar, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagascar sy ny ligin’Analamanga, taranja Volley-ball, mandritra ity taom-pilalaovana 2023-2024 ity. Fanohanana ara-pitaovana, toy ny “tee-shirts” sy “maillots” ary loka “sandam-bola Airtel Money”, ho an’ny mpandresy amin’ny fifaninanana no homen’ny Airtel. Nambaran-dRamatoa, Raharilalao, tomponandraikitra eo anivon’ny Airtel Madagascar, fa mifanaraka tsara ny soatoavina eo amin’ny roa tonta ka tsy nisalasala izy ireo nanaiky ny fangatahan’ny ligy. «Manohana spaoro ary mivoy ny fifandraisana izahay», hoy izy. Tetsy ankilany, nisaotra sady nanome toky ny filohan’ny ligin’Ana­lamanga, Andriamampandry Zo, fa hiezaka hamerina in­dray ny lazan’ny volley-ball eto Analamanga. Ity faritra ity izay betsaka mpilalao indrindra, mahatratra 75% amin’ny mpilalao manana kara-pilalaovana manerana an’i Madaga­sikara dia avy eto avokoa. Nohamafisiny, fa hampitomboina ny isan’ny lalao ataon’ ny klioba, izay atambatra anaty vondrona tokana ary atao lalao mandroso sy miverina. Ankoatra ny eny Itaosy, hisy kianja maromaro handray lalao. Mikasa hikarakara « jeux corporatif » sy « inter-fac » ary « inter-arrondissement » koa ny Ligy.

Mi.Raz

Partager sur: