« Mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina tany tan-dalàna i Madagasikara », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo, teny Ankerana, raha namory ireo mpikambana. Nanteriny fa tombontsoa iombonana no tadiavina rehefa manao politika. Tsy manao fitaovana ny hafa fa hiady ho an’ny vahoaka. Nankasitrahany ireo mpikambana rehetra tamin’ny fanarahana ny toromarika nandritra ny tolona natao.
Notsindriny fa tsy misy natao ho ambonin’ny lalàna. “Natao ho fehezin’ny lalàna avokoa ny rehetra ka tokony hitovy ny fampiharana izany”, hoy ihany izy. Tsy nampandroso ny firenena koa ny fanaovana fitaovana politika ny mpitandro filaminana. Notsiahiviny fa fampianarana ny rehetra hitaky am-pilaminana ny anton’ny hetsika am-pilaminana atao. “Zarina amin’ny zavatra tsara ny olona. Mitohy ny tolona ary entanina ny rehetra ho vonona”, hoy ihany izy.
Synèse R.