Fanafihana teny Talatamaty : nohidina tanaty gabone ny tompon-trano

Nisy nanafika ny fianakaviana iray monina eny Ambo­rompotsy Talatamaty, omaly maraina. Lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny volabe miten­tina 6 000 000 Ar sy ny fira­vaka maromaro, ary finday. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no nitrangan’izany, saingy efa ora roa taty aoriana vao nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana, izay tsy lavitra eo. Nisy ny fidinanan ifotony nataon’ny mpanao fanadihadiana. Tamin’izany no nahalalana fa nohidin’ny olon-dratsy tao anaty trano fidio­vana na gabone ny tompon-trano mianakavy. Tsy nisy ny aina na­foy. Nisy iray naratra tamin’ny olona tao an-trano.
Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, araka ny angom-baovao natao teny anivon’ny zandarimariam-pirenena izay mandray an-tanana ny famotorana. Mbola anatin’ny fanangonana ny singa rehetra izy ireo ankehitriny ka tsy afaka ny manome antsipiriham-baovao. «  Ny hany azo ambara aminareo mpanao gazety hatreto dia voalazan’ny tompon-trano fa olona dimy, nitondra basy poleta iray no nanafika azy ireo. Rehefa avy nandrahona ry zalahy dia nohidiana tao anaty trano fidiovana ry zareo. Loharanom-baovao tsotra no nahafahanay niditra tao amin’ireo lasibatra. Efa mandeha ny fikarohana. Nisy nilaza fa nitsoaka tamin’ny fiara tsy mataho-dalana, 4×4 miloko volondavenina ny olon-dratsy. Tsy fantatra kosa ny laharan’ ny fiara », hoy ny loharanom-baovao.

r.r

Partager sur: