Fiara nitondra razana tra-doza: niara-maty ny vadiny sy ny rahalahiny

Maty tsy tra-drano ny vadin’ilay lehilahy ho alevina sy ny rahalahiny vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7, teo amin’ny kaominina Andiolava, distrikan’Ihosy, omaly maraina. « Niala alina tao Ilakaka io fiara io ary ni­kasa hihazo an’Androy hitondra ilay razana », hoy ny fanazavan’ny kapiteny, kaomandin’ ny kaompania Ihosy. Naharay antso tampoka izy tamin’ny 1 ora sy sasany maraina fa misy fiara 4×4 nivadika, nitondra razana. Voa mafy teo amin’ ny faritry ny lohany ilay ramatoa vadin’ny maty io ka tsy tana koa ny ainy. Ankoatra azy, maty teo no ho eo koa ny rahalahin’ilay lehilahy ho ale­vina vokatry ny dona mafy nahazo azy tamin’ny loza. Vokany, telo niaraka tamin’ilay razana no namoy ny ainy ho an’io fianakaviana niharan-doza io. “Nentina notsaboina ao Ranohira ny olona sivy hafa naratra”, araka ny fanazavan’ny zandarimaria misahana ny famotorana ny an­tony niteraka ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: