Vita iny ny fifidianana. Mbola ifikiran’ny sasany amin’izao ny hoe krizy na korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Misy ny saina efa vonto sy donto amin’izany, miandry kendry tohina fotsiny. Tsy maka lesona amin’izay lesoka? Amin’izao, mandeha avokoa ny karazana famakafakana hanamarinan-tena fa marina sy mety izay nolazaina, nahomby ny lalana naleha sy izay natao. Mba marina? Na araka izay tena zava-misy eny ifotony… Hita izao fa misy ny diso paika ka matim-bela, na diso fanantenana fa miezaka mankahery tena, na tsy mety ho resy tohika…
Politika no atao, ady fiady na tsy misy tsy azo arenina. Saingy mila fotoana, fahamasahana, faharesen-dahatra… Tsy voatery hahomby hatrany tsinona izay atao? Vao mainka fa izay kitsapatsapa sy ny fandehanana anjambany… Na ahoana na ahoana, tsy mandehandeha ho azy na ndeha haverimberina hatrany ny tantara: ny nety omaly, mety ho fandrika anio; ny mety anio, hivadika zavatra hafa rahampitso. Efa lasa ny zavatra taloha, hafa ny anio sy ny omaly. Iza amin’ny mpanao na mpilalao politika, ohatra, no tena mahalala ny vahoaka, ny hetahetany, manontany azy, manome hasina azy… ?
Miankina amin’ny fifandraisan’ny mpanao politika amin’ny vahoaka ny fahombiazan’izay atao, fahatanterahan’izay lazaina… Fiteny mandrakariva ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena, fampandrosoana, fitsinjovana fiainam-bahoaka… Mby aiza? Fantatra ary araka ny vahoaka io adilahy politika lava io, anisan’ny nahapotika ny fiainany sy nampahantra azy. Mba efa tafarina sy arenina ve izany amin’izao? Olana politika sy ny olan’ny mpanao politika hatrany no novahana hatramin’izay. Lesoka mila akana lesona? Na ny vahoaka no manome lesona ny mpanao politika fa ampy izay…
R. Nd.