Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fandalovan’ireo sambo lehibe (paquebot) mpitondra mpizahatany eto Madagasikara isika izao. Fotoana hampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fizahantany. Nandalo tao amin’ny faritra Nosy Be ilay sambo lehibe MS ZUIDERDAM tamin’ny alalan’ny “Madagascar Air tours”. Manodidina ny 1 800 ireo mpizahatany tao anatin’ ny sambo izay avy amin’ny firenena samihafa, nahita ny hakanton’ny Nosy sy nahafantatra ireo toerana mampalaza ny faritra. Mahavelombolo ireo mpiantsehatra amin’ny fizahantany ny fandalovan’ity sambo vaventy ity noho izy mampidi-bola ho an’ny faritra. Mampiroborobo ihany koa ny toekarena ao an-toerana.
Ankoatra izay, nandalo tany amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala-Tolagnaro, ny alarobia teo, ilay sambo vaventy Vasco Da Gama. Nitondra mpizahatany 510 ity sambo lehibe ity, ka nijanona tao an-toerana nandritra ny tontolo andro mialoha ny nanohizany ny diany. Ho avy ny 22 desambra izao kosa ny sambo lehibe iray hafa raha toa ka andrasana amin’ny volana janoary ny iray fahatelo, araka ny fanazavan’ny ofisim-paritry ny fizahantany ao an-toerana.
Tsiahivina fa nahatratra hatrany amin’ny 184 824 ireo mpizahatany tonga eto amintsika tao anatin’ny 10 volana voalohan’ny taona. Nahitana fiakarana ambony indrindra ny volana oktobra teo, mahatratra 28 450 ireo nitsidika ny Nosy malagasy.
Henintsoa H.