Ninie Donia : nodimandry ny mpanjakavavin’ny Salegy

Misaona ny tontolon’ny haikanto malagasy. Nodimandry, noho ny aretina maro samihafa nahazo azy, i Ninie Donia. Ny gadona Salegy no tena nampalaza azy, ary maro ireo hirany nankafizin’ny Malagasy.

Nindaosin’ny fahafatesana omaly, teny amin’ny manodidina an’Andra­fiabe, i Bezara Eliane Virginie, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ninie Donia. Raha tsiahivina, handeha ho tsaboina any Antsiranana, avy any Nosy Be, izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. “Mpanjaka­vavin’ny Salegy”, io no anarana nomen’ny mpankafy azy, tao anatin’ny haikanto. Ankoatra ny maha mpahay kanto azy, efa solombavambahoaka ihany koa izy.
Banga iray indray ny tontolon’ny haikanto, indrindra ny mozika sy ny gadona Salegy.
Raha tsiahivina, aretina nitaiza ity mpahay kanto ity ny tosidra. Ankoatra izay, voan’ny homamiadan’ny sarakaty izy.
Voafonja tao Nosy be izy. Nampangaina ho nitarika fikomiana sy vondron’olon-dratsy. Noho ny fiombon’ny aretina, nanapa-kevitra ny handefa azy ho tsaboina any Antsira­nana ny tomponandraikitra.
40 km tsy hiditra ny tanànan’ Antsiranana, tany amin’ny manodidina ny faritr’Andrafiabe, no tapitra ny ainy. Tamin’ny 3ora latsaka fahatelony. Omaly no nigadona tao amin’ny hopitaly ben’ Antsiranana ny fiara mpitondra marary nitondra azy.
Nomen’ny mpankafy sy ny haikanto Malagasy an’i Ninie Donia ny anaram-boninahitra hoe “Mpanjakavavin’ny Sale­gy”. Nampalaza azy ny hira “Ma­lilo”, “Andesa moramora”, “Man­­dinoha raha”, “Nosiko”.
Mpahay kanto feno i Ninie Donia. Ankoatra ny maha mpihira azy, mpamorona sy mpandrindra ary mihira hiran’ olona ihany koa izy. Ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.

Lin

Partager sur: