Notanterahina ny sabotsy maraina lasa teo, tetsy amin’ny Tranomboky monosipaly Analakely, ny fifaninanana hetsika “Slumourap freestyle”. Nanomezana sehatra ireo ankizy manan-talenta amin’ny fanaovana “Rap”. Anton’ny hetsika, ny fahatsapan’ny mpikarakara fa maro ny ankizy sy tanora manana talenta saingy tsy mahalala ny lalana tokony halehany sy sehatra ahafahany maneho izany. Niaraha-niasa teo amin’ny Slumourap sy ny Direction des arts, culture et vie communautaire eo anivon’ny CUA ary ny Tranomboky monisipaly. Tanjona ny hanomezana sehatra ny ankizy sy ny tanora malagasy manana talenta ary hanosehana azy ireo amin’ny lenta ambony kokoa.
Maro ny liana tamin’ny hetsika ka tonga niatrika ny fifaninana teny an-toerana. Fotoana iray nampisehoana ny talenta sy ny maha izy azy ireo avy. Ny 25 novambra ho avy izao ny fifaninana lehibe ho an’ireo tafakatra tamin’ny andiany rehetra. Ankoatra izay, misy ny tetikasa “Chronique radio”, natokana ho an’ireo ankizy nandray anjara tamin’ny “Slumourap” andiny voalohany sy faharoa ary fahatelo.
Mino