Zandary roa naratra, vokatry ny fianjerana tamin’ny moto teny Anjanadoria, Ambohidratrimo. Tafiditra tamin’ny fandrika nataon’ny jiolahy izy ireo. Iray tamin’ireto farany kosa maty voatifitra.
Naratra vokatry ny fianjerana tamin’ny moto ny kaomandin’ny brigadin’ Ambohidratrimo sy ny mpiara-miasa aminy iray, afakomaly maraina. Tafiditra tanatin’ny vela-pandrika nataon’ny jiolahy mpaka an-keriny izy ireo, raha handeha hanao fisamborana tany Ampiriritra sy Satrokoditra, ao amin’ny kaominina Anjanadoria. Nisy ny fifandonana nandritra izany ka maty voatifitra ny jiolahy rain-dahiny, nantsoina hoe Miga Be. Ity farany izay efa voasambotra mialoha noho ny resaka fakana olona an-keriny teny Avaratsena, distrikan’Ambohidratrimo.
Nandritra ny famotorana, nanondro ireo namany, toa an-dry Bera sy Diba izany i Miga Be. nambarany fa mamahatra ao Ampanotokanakely, kaominin’Ambato ny andian-jiolahy mpaka an-keriny sy mampitondra faisana ny faritra andrefan’Antananarivo, hatrany Vonizongo iny. Nidina tany an-toerana hanao ny fikarohana sy ny fisamborana ny zandary, rehefa feno ny angom-baovao.
Mitohy ny famotorana
Teny an-dalana anefa nanomanan’ny olon-dratsy paikady maloto ireto mpitandro filaminana avy aty Ambohidratrimo, nampian’ny avy ao Anjanadoria sy ny avy any Avaratsena.
Efa nahazo ny fitsaboana ireo mpitandro filaminana roa lahy. Naverina amin’ny fianakaviany ny fatin’i Miga Be. Basim-borona iray kosa no navelan’ny mpaka an-keriny rehefa resy tosika izy ireo.
Tsiahivina fa niainga tamin’ ilay fakana olona an-keriny tany Avarantsena ny faha-5 novambra lasa teo ity tranga naharatra zandary sy nahafatesana jiolahy iray ity. Mitohy ny fanadihadiana !
r.r