TSELATRA

Mpitondra moto iray naratra vokatry ny fifandonana tamina fiara tetsy By-pass, omaly. Nipoitra tampoka nanapaka ny lalan’io kodiaran-droa io ilay fiara. Nitsambikina niala izany ilay mpitondra moto. Nandamina ny raharaha ny mpitandro filaminana teny an-toerana.

Zaza menavava hitan’ny fokonolona nisy nanary tetsy Androndrakely, boriborintany faharoa, afakomaly. Nihohoka tamin’ny tany ary efa tsy nisy aina intsony io zaza io, raha ny nambara’ireo nanatri-maso. Karohina ny reny nahavanon-doza nahavita nanary io zanany io.

Fiara iray may kilan’ny afo tetsy 67 Ha, afakomaly. Fifampikasohana herinaratra tao anatin’ny fiara no nampirehitra ny afo. Niezaka namono ny afo ny mponina manodidina saingy tara izany. Tsy nisy noraisina intsony io fiara io.

Fatim-behivavy efa potika tanteraka hitan’ny fokonolona tao Antanamandriry, fokontany Ambolomadinika, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy namantarana azy intsony ary efa namoaka fofona maimbo io vehivavy maty io. Voatery nalevin’ny fokonolona avy hatrany izy noho ny fahapotehan’ny vatany. Tsy fantatra mazava ny anton’io tranga io.

Partager sur: