Mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny fihariana tantely noho izy mamokatra mandavan-taona. Mampidi-bola ny asa saingy mitaky fepetra manokana.
Fihariana madinika anisan’ny mamelona fianakaviana maro ny fiompiana tantely. Mampidi-bola izy ary mamokatra mandavan-taona. “Ahazoana tantely hatrany amin’ny 20 l isan-taona ny tohotra tantely iray”, hoy ny fanazavan’i Tina, mpiompy tantely iray ao Ambositra. Manenjika voninkazo efatra farafakeliny ity raim-pianakaviana ity mandavan-taona hahazoam-bokatra. Entiny mivezivezy miaraka aminy ireo tohotra tantely iasany.
Taranaka fahatelo mpiompy tantely i Tina. Nolovainy tamin’ ny raibeny sy ny rainy ny fihariana hamelomany ny fianakaviany. Niainga tamina tranona tantely 20 isa ny lehilahy enin-taona lasa izay. Ankehitriny, mahatratra 300 ireo tranona tantely ampiasainy.
Mivezivezy manerana ny Nosy ny raim-pianakaviana mijery ala mba hahazoany vokatra. Nambarany fa anisan’ny manimba ny fihariana sy ny fiompiana tantely ny fahapotehan’ny tontolo iainana sy ny fitrandrahana saribao ary ny doro tanety. Mitety foara sy tsena isan-karazany koa izy handafosany ireo tanteliny.
Fepetra
Toy ny fiompiana rehetra, mila fikarakarana ny tantely. Misy ny fanafody ampiasaina hisorohana ny aretina mety hahazo azy. Ny taona 2009 no tafiditra teto Madagasikara ny varoa, aretina mpahazo ny tantely. Misy ny fanafody isorohana izany izay hita eny amin’ireo toerana voatokana. “Intelo isan-taona izahay no manisy fanafody ny tantely ary misolo isaky ny efa-bolana izany”, hoy ny fanazavany. Notohizany fa mandany hatrany amin’ny 60 000Ar isan-taona ny tranona tantely iray asiana fanafody. Fandaniana hafa ankoatra ny fikarakarana rehetra atao.
Henintsoa Hani