Fikajiana ny tontolo iainana : 40 taonina eo ny fako elektronika voahodina eto Antananarivo

Mihamitombo hatrany ny tetikasa sy ny orinasa misehatra amin’ny fanodinana ireo karazana fako avy amin’ny elektronika. Hamehezana ny fiparitahan’izy ireny sy hiarovana ny tontolo iainana ny anton’izany.

Mahatratra 53,6 tapitrisa taonina isan-taona ny fako elektronika very sy miparitaka maneran-tany, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation des Nations Unies (ONU) tamin’ny taona 2019. 1500 t isan-taona kosa izany ho an’ny eto Madaga­sikara, tamin’ny 2022. Mano­didina ny 0,6 kg isam-batan’olona izany. Voasokajy ao anatin’ny fako elektronika ireo fitaovana rehetra fampiasa sy kojakoja ao an-tokantrano nefa efa maty. Anisan’izany ny finday, fakan-tsary, fahitalavitra, radio, solosaina, tariby, bateria…
Ela vao potika sy levona tanteraka ny fako, ary tafiditra ao anatin’izany ny fako elektronika. 2 taona eo ho eo ny faharetan’ny fako azo avy amin’ny finday, raha ny fikarohana nataon’ny manampahaizana. Eo anelan’ny 5 sy 7 taona kosa ho an’ny solosaina. Maharitra hatramin’ny 14 taona ny vata fampangatsiahana. Toy ny fako rehetra, azo ahodina soa aman-tsara ihany koa ny fako avy amin’ny fitoavana elektronika. Antony mahatonga ny orinasa misehatra amin’izany sy mandray an-tanana ny fanapotehana ireny karazana fako ireny.
Mihamitombo hatrany ny tetikasa sy orinasa misehatra eo amin’ny fanodinana fako avy amin’izy ireny. Anisan’ny orinasa iray nisehatra voalohany tamin’izany, ny Vohitra Environnement etsy Anja­nahary. Nanomboka ny taona ny 2005, teto Antananarivo, izy ireo. Manodidina ny 40 t eo ny fako voavory sy nahodin’
izy ireo hatramin’izay nisiany teto amin’ny faritra Anala­manga. Potehina mba ho lasa “neutre” ny singa mety handratra ny tontolo iainana ao anatin’ny fako. Ao kosa ireo ahodina ho lasa akora vaovao. “Tanjona ny hamehezana ny fako elektronika miparitaka sy ho fiarovana ny tontolo iainana ary hamorona asa ho an’ny olon-tsotra”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Vohitra Environ­nement, Andriambeloniaina Diamondra.

Mitera-doza ho an’ny olona sy ny tontolo iainana
Tombontsoa maro ny azo avy amin’ny fanapotehana ny fako, indrindra ny fako elektronika. Anisan’ny miaro ny tontolo iainana sy ny fahasala­man’ny olombelona izany. Mitera-doza ho an’ny tontolo manodidina sy ho an’ny olombelona kosa anefa ny fiparitahan’izy ireny, raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra. Mety hitsonika ary miteraka akora simika ratsy izany. Mety ho lasa any amin’ny rano fisotro na hohanin’ny biby fiompy ka lasa any anaty vatan’olombelona. Anisan’izany, ny fandoroana ny tariby, izay akan’ny olona singa atao hoe “cuivre”. Nilaza izy fa mety hiteraka aretina homamiadana ho an’ny olona ny fifohana ny setroka avy amin’izany noho ny akora simika mivoaka amin’ny fandoroana azy ireny Ankoatra izay, manampy ny fahalotoan’ny entona mpifehy hafanana,“gaz à effet de serre”, ihany koa ny setroka avy amin’izany, ka lasa manakorontana ny tontolo iainana maneran-tany. “Hitadiavam-bahaolana mba tsy hisy fiantraikany any amin’ny fiainan’ny zavaboahary rehetra ireny karazana fako ireny”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.

Ahitana singa sarobidy toy ny volamena ny fako elektronika

Tsy mitovy amin’ny fako rehetra ny karazana fako avy amin’ny fitaovana elektronika fa manan-danja izy ireny. Ahitana ireo singa sarobidy maro samihafa ny ankamaroan’
ireny fitaovana ireny. Anisan’izany, ny nickel, aluminium, cuivre, platine, volamena na volafotsy izay hita sy ampiasaina amin’ny «circuit» elektronika. Mbola azo averina ampiasaina indray ireo rehetra ireo mandritra ny fanodinana azy. Araka ny tatitra navoakan’ny ONU tamin’ny taona 2019, 17, 4% tamin’ireo fako elektronika very manerana an’izao tontolo izao no voahangona sy nahodina. Tombanana ho 57 milliards de dollars ny volamena, volafotsy, varahina, platine ary singa hafa hita tamin’izany.
Manampy izany, ahitana poizina maro samihafa ihany koa amin’ireny fitaovana elektronika ireny. Anisan’izany, ny finday. Mitaky fitandremana goavana ho an’ny olona mikirakira sy manodina izany mba tsy hahatonga aretina sy loza hafa. Toy ny singa cadmium, mercure, ny firaka sy entona ratsy ao anatin’ny vodin’ny fahitalavitra…

Mandalo dingana maro ny fako
Aterina eny Anjanahary ny fako voahangona avy amin’ny orinasa sy ny olon-tsotra miara-miasa amin’izy ireo. Hatramin’izay nisiany, mahatratra 50 isa ireo orinasa miara-miasa amin’ny Vohitra Environnement. Tsy maintsy sivanina ary aterina eny amin’ny toerana natokana amin’izany, vao azo ahodina ny fako. Mba hahazona ny singa azo averina ampiasaina indray. Ankoatra izay, omena fiofanana avokoa ireo olona misehatra amin’ny fanodinana fako. Mba hahay hanavaka ny singa azo haverina ampiasaina. Toy ny fitaratra, vy, aluminum, plastika…

Nanatontosa : Mino
Sary nomena

Partager sur: