Mandry tsy lavo loha

 

Vita izay ny fifidianana ! Mangingina ny tanàna. Milamindamin-dratsy ny andavanandron’ny mponina eto an-drenivohitra. Mitohy ny fiainana andavanandro na misy aza ny tso-drivotra hafahafa, mitsoka any ambadimbadika any. Rivotra politika, izay iniana voizina mba ikorontanana. Tsy hay mazava ny ipoirany fa izy efa mahoraka etsy sy eroa no manaitra. Ny tambajotran-tserasera izany, efa tsy azo inoana intsony izay voalazany. Mivadika ho fitaovana fampielezan-kevitra sadasada, mivoy fifankahalana. Mampandry tsy lavo loha ny ambanilanitra…
Etsy ankilan’izay, tsy azo hodian-tsy hita ny zava-misy any ambanivohitra rehetra any. Mandry an-driran’antsy ny vahoaka amin’ny tsy fandriampahalemana. Rehefa tsy misy maka an-keriny, lasan-dry zalahy ny omby. Ny tena zava-doza, mirongatra ny fanafihana mitam-basy mikendry ireo mpandraharaha sy izay mba manamana eny an-tanàna. Isan’andro vaky izao, mandriaka ny ra. Na maty na maratra mafy ny lasibatra.  Manginy fotsiny ny zaza amam-behivavy voaolana.
Hodidina iray tsy azo tsinontsinoavina, mahatonga ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ny fifidianana. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa efa mihoatra ny tokony ho izy. Sanatrian’ny vava manao ririnin-dasa tsy tsaroana fa tena mampiteny ny « moana », hoy ny oha-pitenenana malagasy. Mivoaka ny trano matahotra mpanendaka sy mpisinto-mahery. Mijanona an-trano indray tongavan-dry zalahy mirongo fitaovam-piadiana.
Toe-javamisy iray, ilana fandraisana andraikitra matotra sy hentitra ny momba ny tsy fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka eto Madagasikara. Efa latsaka an-katerena ny firenena, mainka mampihitsoka ny fampandrosoana izany. Voafetra ny fahafaha-mamokatra noho ny tahotra sy ny tsindry ara-tsaina mianjady amin’ny olona tokony hiasa.

r.r

Partager sur: