Profesora Jonah Ratsimbazafy : « Nampitomboiko avo roa heny ny ezaka noho ny kilemako »

Mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, manampahaizana ambony mahakasika ny varika. Nizara ny fahombiazany izy. Dinidinika.

Gazety Taratra (*) : Azonao zaraina ve ny tena fahombiazanao ?
Pr. Ratsimbazafy Jonah (-) : Nanoratra boky amin’ny teny frantsay aho, mitondra ny lohateny hoe : «C’est dans l’obscurité que les étoiles scintillent», adika hoe : «Mamiratra ao anatin’ny haizina ny kintana». Anisan’ny voalazako ao ny fahombiazako eto an-toerana sy any ivelany. Manana ny antony manokana aho, satria manana kilema, malemy ny tanako havia. Tsy nataoko ho sakana anefa izany, fa vao mainka nampitomboiko avo roa heny ny ezaka, mba ahombiazako. Mila fantarin’ny rehetra ny ezak’ireny olona manan-kilema ireny, matoa izy mahomby miohatra amin’ny olon-tsotra.

*Afaka manazava misimisy kokoa ve ianao?
– Anisan’ny noteneniko nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana tany Etazonia, ny volana oktobra 2023 teo, fa miezaka mamaha olana ny mpikaroka. Izahay samy mpikaroka ihany anefa no mivory eo, fa tsy eo ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, ary indrindra ny mpanimba tontolo iainana.

Amiko, mila angonina ny hevitry ny rehetra, ilay fahalalinan-tsaina iombonana (intelligences collectives). Mahita zava-baovao ny mpikaroka, fa ny fiarovana izay hitany (biby, zavamaniry, …) no tena ilaina. Aleo ho andraikitry ny hafa no manao izany fiarovana izany, satria izay ilay halalinan-tsaina iombonana.

*Inona ny ohatra azonao tenenina ?
-Maro ny olona nandray anjara matoa mahomby ny fiarovana ny alan’i Maromizaha Andasibe. Mitarika ihany ny Gerp, fa ireo mponina any ifotony no tena manana anjara lehibe. Vokatry ny ezaka niombonana, tsy nisy afo (zéro feu) intsony tany an-toerana, nanomboka ny taona 2018. Tafatsangana ny «fototra» (build trust). Vitan’ny tany Maromizaha ve tsy ho vi­tan’ny hafa ?

Nanangona : Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: