Ranaivoharivony Arindra : “Afapo na tsy nahazo voalohany aza”

Mpikatroka Malagasy eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Brésilien, i Arindra. Vao herintaona monja izy no niditra teo amin’ny tontolon’ny JJB ary nandray anjara tamin’ny “Open d’Afrique” natao tany Maorisy farany teo. Naneho ny fahafaham-pony i Arindra tamin’ny medaly volafotsy roa norombahany. “Afapo aho na dia tsy nahazo ny anaram-boninahitra aza”, hoy i Arindra, nandritra ny tafatafa natao taminy omaly. “Nahafaly ahy ny niatrehako ity fifaninanana iraisam-pirenana voalohany ho ahy ity, faly aho niakatra tatami sy niady”, hoy ny fitantarany. Nambaran’i Arindra fa tena mendrika ho an’ny mpifanandrina taminy ny fandresena satria tena nanomana tsara izy ireo ary nanantombo teo amin’ny ara-batana. Lesoka kely, hoy izy, ny tsy nahafahany nanao fanazaran-tena tsara noho ny fanohizana fianarana tany Maorisy, na izany aza, mbola nahazo medaly volafotsy roa. Mbola maniry ny handray anjara i Arindra amin’ny fifaninanana amin’ny herintaona ary manantena ny ho tompondaka. Tsy nanadino nisaotra ny filohan’ny klioban’ny Chekmat, Randriamifidimanana Laza sy ny mpanazatra, Pay Samy, i Arindra. Teo ihany koa ny ray aman-dreny, ny fianakaviana ary ny namana, nanome fankaherezana sy nanohana.

Mi.Raz

Partager sur: