Antoka ho fampiroboroboana ny famokarana maharitra sy lovain-jafy ary dingana hanatrarana ny fanamby lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanohanana ny tantsaha. Nomena zezika sy ambioka tsara kalitao sy voafantina ny tantsaha ao amin’ny kaominina Merimandroso, distrika Ambohidratrimo, omaly. Noentanina koa izy ireo hampiasa fitaovana mekanika moderina sy manaraka ny teknolojia, haingam-piasa ary mamokatra betsaka. Antoky ny fahombiazana ny fifehezana ny tetiandrom-pamokarana. Tanjona ny hampiakarana ny lentan’ny famokarana sady maharitra, hanatsarana ny fari-piainan’ny mpamokatra tsirairay. Ankoatra izay, nahita masomboly maharitra sy ahazoana voka-bary mandritra ny efa-taona ny «PR 34». Fikarohana niarahan’ny FOFIFA sy ny Africa Rice nanao.
Vokatra
«Manodidina ny 8-9% ny tahan’ny famokaram-bary tamin’ity taona ity. Atontanisa nahitana fiakarana taorian’ny fampivoarana ny famokarana», hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, nandritra ny fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolena 2023-2024 tao Merimandroso. Ilaina ny fanohanana eny ifotony hampiroboroboana ny vokatra sy hampiakarana ny taham-pamokarana.
Henintsoa H.