Antomotra ny vanim-potoan’ny fetin’ny faran’ny taona. Manome tolotra vaovao ny mpanjifany ny StarTimes Madagasikara. Hisy ny tombony manokana, karazana horonantsary samihafa, nanomboka ny 20 novambra teo, hatramin’ny 24 janoary 2024. Hisitraka ny tolotra «Smart/ Super», mandritra ny 30 andro ny mpanjifa mamandrika 30 000 Ar. Hahazo fanampiny (bonus), mandritra ny 10 andro, ireo mamandrika ny Smart/Super.
Ho an’ny mpanaraka horonantsary mitohy (novelas), misy karazany roa atolotra ho an’ny mpanjifa. Samy azo arahina ao amin’ny televiziona GasyStar ny horonantsary mitohy filipiana, mitondra ny lohateny hoe «Deux cœurs» nadika amin’ny teny malagasy. Eo koa ny horonantsary tailande, «Onjam-piainana». Azo arahina manomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma hariva izy roa ireo ao amin’ny UP TV.
Fandaharana vaovao koa ny horonantsary indiana, «Passion Bollywood», hita ao amin’ny DTH 621, DTT 502. Ho an’ny mpankafy fanatanjahantena, maromaro ny azo isafidianana, toy ny OPI, ny show, ny G Actus. Hanaovana famelabelarana amin’ny teny malagasy ny fifaninanana Bundesliga sy ny Saudi League, hita ao amin’ny GasyStar. Miisa valo ny lalao amin’ny Bundesliga ho hita amin’ny volana desambra izao.
Njaka A.