Raikitra indray! Hotanterahana eto Madagasikara afaka hateloana ny Trail- Ultra Trek des collines sacrées 2023. Mandray anjara mavitrika ry zareo avy atsy La Réunion.
Nampahafantarina tetsy Antananinarenina, ny alahady lasa teo, fa hotanterahina ny 24 ka hatramin’ny 26 novambra ho avy izao, ny andiany fahefatra amin’ny Trail – Ultra Trek des collines sacrées (UCTS 2023). Fifaninanana karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany-ORTANA. Mahatratra 800 ny isan’ireo hifaninana, ankoatra ireo Malagasy, hisy ny avy ivelany ka anisan’ireo ho avy hanafika eto Madagasikara ry zareo renione. Mahatratra 15 mianadahy mianaka izy ireo no ho tonga amin’ity andiany ity ka hitarika ny ekipa i Liberia Fontaine sy i Sylvaine Cussot. Misy ihany koa avy amin’ny firenena hafa handray anjara.
Hiaro ny anaram-boninahitra efa azony amin’ity, Raotozafy Jean Nelson. Hifampitady aminy eo koa i Alvin Tax sy Ny Hasina. Hanodidina ny vohitra masina eto Analamanga ity Trail-UCTS 2023 ity, izay misy halavirana mirefy 122 km. Hizara ho dingana telo miavaka tsara ny lalana hizorana. Voalohany, mirefy 31 km, eo anelanelan’i Fenoarivo sy Ambatofotsy. Faharoa, eo Ambatofotsy sy Ambohimanga, misy halavirana 44 km ary ny farany eo Ankadimanga mankany Ambohimanga, mirefy 47 km.
Tsy misy fiovana firy ny lafiny teknika saingy nafohezina ny halavirana sasany. Nampiana ihany koa ny haavon’ny fiakarana. Zava-baovao tamin’ity andiany fahefatra ity ny fampidirana ny hazakazaka UCTS.
Tompondaka