Mahatsiravina toa maharikoriko izany ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Toa tsy misy hasiny intsony ny aina. Tsy mampaninona izany hoe mandatsa-dra izany. Tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra fa manapoaka izay afaka manapoaka, mamono izay te hamono. Mahavalalanina tsy hita izay ilazana azy.
Na izany aza, tsy takona afenina intsony ny fisian’ireny vondrona hafahafa, ivondronan’ny olon-dratsy ireny. Toa matipaika sy tsara lamina ny fomba fiasan’ireo fikambanan-jiolahy. Avo lenta sy mahery vaika ny fitaovam-piadiana eny an-tanan’izy ireny. Moa tsy toa ireny horonantsarimihetsika ireny. Izay mahery sy matanjaka no tompon’ny fahefana. Tena manao izay danin’ny kibony.
Tsy mahagaga raha mahazo vahana ilay tsy fandriampahalemana. Mahasahy mihantsy tsotra izao ireo mpitandro ny filaminana ny dahalo. Sady ampy fitaovana izy ireo no mbola manana tambajotra matanjaka sy miray hina koa. Manampy trotraka ny fisian’ny mpiray tsikombakomba any anatin’ny vondron’ny polisy sy zandary, ny tafika sy ny fitsarana. Mahazo vahana ny tsy maty manota. Indroa mahita ny maizana, toy ny tain’omby nasesika an-davabary ireo lasibatra.
Atody miady amam-bato mandritra ny fanafihana na ny fametavetana. Tsy manan-kianteherana anefa raha mba hitory. Matetika no very an-javony ny fitarainana. Raha mandeha fitsarana, mainka zava-doza. Matetika mivadika ny rasa ! Ny mpitory indray no migadra. Tsy vitan’izay fa mbola mety hiharan’ny valifaty.
Marefo loatra ny vahoaka madinika. Zary tsy afa-miteny fa tsy maintsy manakombom-bava raha mbola te hiaina. Tratra ny tsindrio fa lavo lava izao. Tsy mahamenatra an-dRamalagasy ny mitifitra na mandatsa-dra ny Malagasy toa azy noho ny herin-dra-vola sy ny fahefana, ary ny fitiavam-boninahitra.
r.r