Atrikasa Hay : lohahevitry ny hetsika ny fanenomana

Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny famaranana ny atrikasa Hay, ho an’ity volana novambra ity. Raha tsiahivina, fanenomana amin’ny alalan’ny tanana no nozaraina nandritra izany. Haneho ny fahaizana azony tao anatin’ny atrikasa ny mpandray anjara anio.
Anisan’ny mampiavaka ity ivontoerana eny Ambatomena ity ny fanomezana lanja manokana ny fanenomana. Ankoatra ny fampirantiana ny haikanto navelan’i Madame Zo, izay Malagasy anisan’ny sangany amin’ny fanenomana, dia nikarakara izao hetsika izao ny Fondation H . Mampiavaka ity andiany ity ny fanomezan’ny mpiatrika ny atrikasa ny fototry ny fanenomana. Misy ihany koa ny fanomezana sy fampahafantarana azy ireo ny maha izy ny fanenomana fahiny sy ny ankehitriny. Ankoatra izay, misy ny fizarana ny fomba fanenoman’i Madame Zo, izay nampalaza azy.
Mitohy hatrany ny atrikasa atao hampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina, ho an’ity ivontoerana ity, ary lohahevitra vaovao indray no ho entina amin’ny volana manaraka.

Lin

Partager sur: