Napetraka ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mahakasika ny fambolena (SNVCA). Tanjona ny hampiroboroboana ny famokarana.
Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny sehatry ny fambolena. Manana ny lanjany amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Manoloana izany, atao eto Antananarivo mandritra ny roa andro ny atrikasa mikasika ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mikasika ny fambolena (SNVCA). Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, fa efa tamin’ny taona 2000 no nametrahana azy, ka ilaina ny fanavaozana hifanaraka amin’ny vanim-potoana, ho an’ny dimy taona manaraka (2023-2028). Efa nisy ny atrikasam-paritra nakan-kevitra sy nifanakalozana tany ifotony sy ny faritra, ary tonga amin’izao atrikasam-pirenena izao. Tanjona ny hanangonana ny hevitra eo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny fambolena rehetra.
Paikadim-pamokarana maro
Natolotry ny minisitra Ramilison Harifidy ho an’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra (TTM) ny antontan-kevitra sy ny paikady samihafa mifanaraka amin’ny SNVCA, omaly. Voarakitra anatin’izany ny paikadim-pirenena hampiroboroboana ny fambolem-bary (SNDR), ny Paikadim-pirenena mombaa ny masomboly (SNC), ny paikady hitantanana maharitra ny fotodrafitrasam-pambolena (SGDIA), ny paikady hiarovana ny sahandriaka (SLA), ny paikadim-pirenena hampiroboroboana ny fambolena biolojika (SNABIO) ary ny paikady hampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fambolena (STDA).
Nisy antontan-kevitra mirakitra ny fambolem-bary sy legioma anankiroa ihany koa natolotra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hoentina hanabeazana ny mpianatra any an-tsekoly ny lafiny fambolena sahady dieny tanora.
Njaka Andriantefiarinesy