Fampiroboroboana ny indostria : tafatsagana ny filankevitra nasionaly

Nitsangana afakomaly, tetsy amin’ny EDBM Antani­narenina, ny filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM). Din­gana voalohany amin’ny fanatanterahana ny fifanekena momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria, natao sonia teo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny 31 Jolay 2023, ny fametrahana ny CNIM”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, (MICC) Razafindravahy Edgard, tamin’ny lahateniny. Hisahana ny fitantanana stratejika sy hanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana ny rafitra. Hiasa mandritra ny telo taona ka azo havaozina indray mandeha ireo mpikambana ao amin’ny CNIM. Hisolo tena ny fanjakana ny MICC sy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo. Filohan’ny CNIM, Rasoama­nana Christian, filoha lefitra, i Hassim Amiraly. Hiara-kitantana ny rafitra amin’izy ireo ny vondron’ny mpandraharaha miisa 9 misolo tena ny sehatra tsy miankina.

Vina
Hamaritra ny lalanjotran’ny indostria hatramin’ny taona 2040 sy ny hanatrarana izany ny fifanekena. Ao anatin’izany no hampitomboina ny indostria sy ny hampakarana ny harin-karena faobe ho lasa 30%. Eo koa ny fidirina eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.Tanjona ny hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana, ny famatsiam-bola, ny fotodrafitrasa ary ny fanofanana.

Henintsoa Hani

Partager sur: