Nitondra fanazavana sy fanentanana momba ny tokony hanaovana vaksiny ny zaza ny dokotera Raharimanana Céline Saharah, lehiben’ny sampandraharahan’ny vaksiny CHUME Ambohimiandra. Fisorohana ireo karazan’areti-mifindra ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, izay sokajiana fa tena mbola marefo ny hery fiarovana ao aminy, ny fanaovam-baksiny. Misoroka ireo fahasarotana amin’ny karazan’aretina mahazo ny zaza. “Tsy tokony hampatahotra ny fanaovam-baksiny fa tena ahazoana tombony amin’ny fiarovana amin’ireo areti-mifindra maro. Tomponandraikitra amin’ny fahasalaman’ny zanany ny ray aman-dreny ka tokony hitondra azy ireny hatao vaksiny. ”, raha ny fanazavany.
Marihina fa mitovy amin’ny tsy natao vaksiny ny zaza raha toa ka tsy ampy ny fatra ilaina izay napetraky ny mpitsabo araka ny tetiandro hanaovana izany. Ny dokotera sy ny “infirmière” ary ny mpampivelona no manao ny vaksiny eny amin’ ny tobim-pahasalamana. Mandritra ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka no hanaovana izany.
Ireo zaza tsy ampy lanja eo am-piterahana na teraka tsy tonga volana, ireo zaza marary na mafana hoditra kosa dia tsy azo atao vaksiny.
Tatiana A