FANTINA sy FINTINA

Niarahaba ny fandresen’ny Barea, nanoloana ny Les Sao, Tchad, ny kandidà Andry Rajoelina. Nam­barany fa nanandratra avo ny voninahi-pirenena ny ekipa. “Azontsika androany ny isa telo… Velona indray ny fanantenana. Misaotra ry zalahy”, hoy izy.

Mitohy ary hihamafy ny fampiharana ny fepetra fiahiana ny fandriampahalemana, araka ny nambaran’ny prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Hambenana mafy ny kianjan’ny 13 mey sy ny HCC, araka ny nambarany. “Mila fitoniana isika izao”, hoy izy.

Nolavin’ny Prefet ny fangatahan’ireo vehivavy mpanao politika hametraka voninkazo eny amin’ny tsangambaton’ny MDRM Ambohijatovo, anio, ho fiombonam-po amin’ny nahalasanan’i Ninie Donia. “Mbola voarara ny famoriam-bahoaka noho ny raharaham-pirenena”, hoy ny prefet.

Tokony ho efa miverina hivory ny eny anivon’­ny Antenimierampirenena, amin’ity herinandro ity. Tsiahivina fa lanin’ny maro anisa tamin’ny fivoriana farany, teny Tsimbazaza, ny hiatrehan’ireo solombavambahoaka fampielezan-kevitra aloha mandra-pahavita ny fifidianana.

Partager sur: