Fiarovana ny ala : tsy araka ny voasoratra ny zava-misy

Tsy loza mitatao intsony izao ny faharavan’ny ala eto Madagasikara fa loza efa mihatra amin’ny tany sy ny mponina. Mananika ny 100 000 ha isan-taona ny ala rava. Ny fahantrana no antony voalohany fa eo koa ny kolikoly mahazo vahana .

Fanamby napetraky ny mpitondra nandritra ny «One Planet Summit» tao Nairobi, tamin’ny 2019, ny ady amin’ny fahantrana sy fiarovana ny tontolo iainana. Fanamby lehibe arahina asa amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Anisan’izany ny fambolen-kazo 40 000 ha isan-taona. Araka ny tatitra nataon’ny Cirad (Centre de coopération internationale en recherche agronomique pour le développement) tamin’ny fikarohana nataony, tanjona ny hanarina ny ala 4 tapitrisa ha alohan’ny 2030. Indrisy anefa fa mihamalaky ny faharavan’ny ala na eo aza ireo tetikasa maro voasoratra.Tsy araka ny voasoratra ny zava-misy.
Resahina foana ny ala eto Madagasikara amin’ny lafiny maro, fiovan’ny toetr’andro, rano, sns. Haingana ny fitomboan’ny mponina, mety ho avo telo heny alohan’ny taona 2050. Mitaky velarantany midadasika volena sy hone­nana ary angovo. Ao anatin’ izany anefa voasoratra ny fikajiana ny ala sy ny zavaboahary ao aminy. Tsy mety tanteraka !

Tanjona ny hiarovana ny ala voajanahary sisa tavela ary ifantohana izany any
amin’ny faritra atao laharam-pahamehana. Atao eo ambany fitantan’olona hentitra izany hiarovana ny ala sy ny zavaboahary, miaraka amin’ny fanarenana izay tokony hatao. Tsy izany anefa no hita fa fitohizan’ny ala may sy fakana ireo hazo sarobidy. Tom­banana 450 t isan-taona ireo hazo sarobidy aondrana an-tsokosoko any ivelany, na­nomboka tamin’ny 2015, ary an’arivony t isan-taona hatramin’izay, mitombo hatrany hatramin’izao, ny saribao hatao angovo.

Tantara sisa ny «ala atsinanana» fa raha ny fanadihadihadiana natao, saika avy any amin’iny faritra iny ny
90 % ny hazo hanaovana saribao ho an’ny faritra Anala­manga, Alaotra sy Atsinana­na. Mbola hafa ny fandripahana ala any amin’ny faritra hafa. Ataho­rana ho lany tamingana ny zavaboahary, biby sy zavamaniry, tsy hita raha tsy eto amintsika.

Ny fahantran’ny mponina maro anisa

Antony lehibe nambaran’ ireo mpikaroka ny fahantrana sy tsy fahampian’ny fiharian’ ny mponina, tsy fampandrosoana ny fambolena, kolikoly amin’ny fivarotana hazo sarobidy, ary fampiasana hazo ho akora fototra amin’ny fanaovana saribao. Eo anelanelan’
ny 50 000 sy 100 000 ha isan-taona ny ala rava, mametra­ka olana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, fihotsahan’ny tany, fahaverezan’ny zavabohary samihafa hatrany amin’ ny 75 %.

Vahaolana voalohany ny ady amin’ny fahantrana, ny fanondrotana ny fari-piainan’ ny mponina maro anisa. Manaraka, fanarenana ny ala dia ny fambolen-kazo, hanaovana lalàna ho an’ny sokajin’olona maro, ary ny fitrandrahana ny angovo azo avaozina manerana ny Nosy.

 

Mbola mampiasa arina ny 90%-n’ny mponina

Fanarenana ny ala sy ny tontolo manodidina azy ny fampiarahana azy amin’ny fambolena, raha ny tetikasa nofaritan’ ny manampahaizana. Atevenina ny tetikasa momba ny fambolena hifanaraka amin’ny fiarovana ny ala. Ampidirina amin’ny tany volena ny zanakazo. Nampidirina izany tamin’ ny tetikasa “Padap” (Projet agriculture durable par approche paysage, tany Boeny, Sofia, Analanjirofo, Sava, ny taona 2017- 2021), saingy tsy tratra ny tanjona eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina.
Ao anatin’izay tontolon’ny fambolena izay ny fanohanan’ny Cirad ireo hazo misy voany fanondrana, toy ny letisia, jirofo … Teo koa, ohatra, ny tetikasa «Dometsip» (Domestication du poivre sauvage Tsiperifery, tany Soanierana Ivongo, 2017- 2018). Eo koa ny fambolena any anaty ala ny lavanila, poavra. Fomba natao hiarovana ny ala sy fidiram-bola ho an’ny tantsaha ireo karazana fambolena ireo, saingy rava ihany ny ankamaroan’ny ala any atsinanana.
Anisan’izany, ny fambolen-kazo fakana angovo (tetikasa Arina : Aménagement et reboisements intégrés en bois -énergie à Anjozorobe, 2015-2019). 90 % amin’ny tokantrano mala­gasy mampiasa saribao. Natao izany amina velarantany tsy mety ho an’ny fambolena sy mahatanty afo. Natao indrindra ho fanampiana ny tantsaha sy ho fiarovana ny hazo hafa tsy hatao saribao ato amin’ny faritra Analamanga fotsiny. Nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny AFD (Agence française de développement) tamin’ ny alalan’ny Cirad ireo tetikasa santionany ireo.

Tsara ho fantatra

Firenena anisan’ny 10 voalohany maneran-tany amin’ny fandravana ala i Madagasikara. Nihena 44 % ny faritra rakotra ala. 100 000 ha isan-taona ankehitriny no very. 50 % antony fahapotehan’ny ala dia avadika ho tanimboly ( tavy). 10 % antony hafa, noho ny fitomboan’ny mponina sy fitaran’ny tanàna. 18 tapitrisa m3 isan-taona ny hazo avadika angovo eto Madagasikara. Atahorana ho ripaka ny 90 % ny biby sy zavamaniry tsy hita raha tsy eto an-toerana. Amoron’i Onilahy, atsimon’i Toliara no kely indrindra ny ala very, latsaky ny 13 ha tamin’ny 2020. 500 000 ha ny tetikasa napetraky ny WWF ho volena hazo.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: