Minisiteran’ny Fahasalamana : handray « Internes qualifiants » miisa 63

Hisokatra ny fifaninanana hidirana amin’ny « Internat qualifiant en médecine », araka ny fampitam-baovao nataon’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka. Natokana ho an’ny teratany malagasy sy kaomorianina izany. 60 ny isan’ ny toerana ho an’i Madagasi­kara. 50 ho an’ny mpifaninana sivily mpitsabo, 10 kosa ho an’ny miaramila. Telo ny toe­rana ho an’ny mpifaninana avy any Kaomoro amin’ny sampam-pitsaboana enina: fandidiana amin’ny ankapobeny,
fitsaboana ny zaza…

Afaka mifaninana ny mpi­tsabo taona fahafito sy fahavalo manaraka fampianarana eny amin’ny oniversite. Ma­nampy azy ireo ny efa mikarakara thèse (thesards). Afaka mifaninana koa ny mpitsabo efa nahavita fianarana nivoaka avy amin’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo teto Mada­gasikara.
Tokony ho feno 35 taona no ho miakatra ilay mpifani­nana amin’ny andro hana­tanterahana ny fandraisana. Hotontosaina ny 14 sy 15 ny volana febroary 2024 ny fifaninanana amin’ny foibem-panadinana eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Mahajanga. Aterina eny anivon’ny fakiol­ten’ny Fianarana ho mpitsabo isaky ny renivohi-paritany enina ny antontan-taratasy fangatahana. Ny tomponandraikitry ny fakiolte no man­defa izany miaraka aty Anta­na­narivo. Misy dingana telo ny fifaninanana izay haharitra roa andro.

Vonjy

Partager sur: