Fianakaviana mihitsy no nivadika nanao asan-jiolahy teny Talatamaty, afakomaly. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 50 tapitrisa Ar tao amina orinasa iray eny an- toerana
Niray tsikombakomba nangalatra ny vola 50 tapitrisa Ar mahery tao amina orinasa iray ny mpiasa lahy sy ny fianakaviany ka tratra, afakomaly. Niandry ny firavan’ny mpiara-miasa aminy, nosaroman’io lehilahy io baoritra ny lohany ka nanokatra an-tsokosoko ny vata nisy ny karaman’ny mpiasa rehetra izy. Nateriny teny amin’ny fianakaviany ny volabe. Niverina niasa toy ny mahazatra izy ny ampitso. Nafenin’ireo havany tany ambanin’ny tany ireo vola ireo. Nanao ny fikarohana ny tompon’antoka anefa ny tompon’ny orinasa. Tratra tao anatin’ny raki-tsary anaty “camera de surveillance” avokoa ny fihetsik’io lehilahy mpiasa io. Nosamborina mora foana ity farany ary natao famotorana. Nitoroka ny nasiany ny vola izy. Vokany, lehilahy iray hafa sy vehivavy roa niara-voasambotra taminy. Naverina amin’ ny orinasa ny vola an-tapitrisany. Miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo voasaringotra tamin’ity raharaha ity.
Tsiferana R.