Taxi-be nifanenjika: nifampisokirina ilay lehilahy voadona

Nanao ny ataony indray ny mpitondra taxi-be teny Ala­robia-Ivandry, omaly maraina. Vaky loha sy tapa-tongotra vokatry ny fifanenjehan’ny taxi-be 180 miisa roa ny lehi­lahy iray izay manana olana tsy afa-mandeha fa mipetraka ambony seza atosi-tanana. “Efa saika nandona polisy teo Tsarasaotra io taxi-be io kinanjo izao nifaoka olona izao”, hoy ny mpitandro fila­minana mandrindra fifamoi­voizana eo an-toerana. Tavela tao ambanin’io fiara io ilay lehilahy izay efa malemy sy ny fitaovam-pamindrany. Vaky ra ny lohany sy ny ampahany tamin’ny vatany ka nentina nihazo ny hopitaly HJRA. Fiara roa hafa voadonan’io taxi-be io.
“Tsy manana olana amin’ny hisatra velively io fiara io fa efa nojereko”, hoy ny iray tamin’ireo tompon’ny fiara voadona. Potika tanteraka ny fiara an’ity farany. Nentina natao andrimaso sy hatao famotorana ny mpamilin’ilay taxi-be 180. Manaraka fitsaboana ilay lehilahy naratra mafy.
Ankoatr’io, lehilahy iray hafa koa maty voadonan’ny fiara tao Manjakandriana, omaly. Nitondra moto ka voatrongin’ny fiara iray avy ao aoriana io lehilahy io. Maty tsy tra-drano izy.

Tsiferana R.

Partager sur: