Trafikana sokatra: lehilahy iray voasambotra

Lehilahy mpanao trafikana sokatra saron’ny zandarimaria tao Ejeda, faritra Atsimo Andrefana, ny 16 novambra teo. Nitondra karazan-tsokatra «sokake» miisa 16 io lehilahy io. Manana mpiasa telo lahy hafa izy saingy nitsoaka nandositra ireo namany ireo rehefa tonga nanao ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana. Nogiazana ary natolotra ny sampan-draharaha manokana misahana ny fikolokoloana sy fiarovana azy ireo sokatra am-polony ireo. Nentina natao famotorana ary nohazonina am-ponja vonjimaika ilay tompon’antoka. Miandry ny raharaham-pitsarana ao Ampanihy ity farany hamantarana ny sazy hahazo azy.

Tsiferana R.

Partager sur: