Tranomboky monisipaly : mitohy ny fampiroboroboana ny haikanto

Mitohy eny amin’ny Tra­nomboky monisipaly Ana­la­kely, anio tolakandro, ny hetsika “Let’s read”, ao anatin’ny Diary Nofy, andiany faharoa. Haikanto mitondra anatra sy fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy no tena mahazo sehatra ao anatin’ity hetsika ity. Tanjona amin’izany ny famerenana ny hasin’ny boky eo amin’ny fanabeazana ny ankizy. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ny haikanto literera, indrindra ny vao misandratra.
Razafindrabe Ashley, ma­nampahaizana manokana momba ny toetran’ankizy sy ny adolatsento, no hitarika ny hetsika, taorian’ny fahombiazana niarahana tamin’Andria­tsitohaina Claudia Pichler, ny faran’ny herinandro teo. Ny ankizy eny amin’ireny ivontoerana maro samihafa mitaiza ankizy ireny no tena kendrena ao anatin’izao hetsika izao. Mahazo tombony manokana amin’izany ny mpikambana eo anivon’ny Tranomboky monisipaly Analakely. Ankoatra ny vaky boky sy ny fanentanana ny ankizy, anisan’ny hasongadina ao anatiny koa ireo asa soratra nosaratan’ny Mala­gasy, misy dika amin’ny teny vahiny. Anisan’izany ny “Io Vava io”, “Vary Iha”, “Ilay ha­rena sarobidy”.
Ho hita eny an-toerana, amin’ity anio ity, ihany koa ny “Slam Session”, seho misokatra ho an’ny rehetra no sady vaovao ho an’ny eo anivon’ny Tranomboky monisipaly Ana­lakely.

Lin

Partager sur: