Laharam-pahamehan’ny CNIM ny tontolon’ny fambolena, ny lamba, ny lohamenaka, ny indostria mpanodina ny harena an-kibon’ny tany ary ny famokarana angovo azo avaozina. Hanao tatitra isaky ny enim-bolana momba ny fandrosoan’ny fanatanterahana ny fifanekena ny filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara.
Nisokatra omaly tamin’ny telo ora tolakandro, ny taom-piotazana letisia 2023, ao amin’ny faritra Atsinanana. Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity noho ny habetsaky ny orana sy ny hafanana any an-toerana. Hanondram-bokatra manodidina ny 18 000t any ivelany i Madagasikara raha ny tanjona.
Manodidina ny 273 827 ny mpanjono madinika an-dranomasina sy an-dranomamy, mamelona fianakaviana mihoatra ny 65 000 eto Madagasikara. Mahatratra hatrany amin’ny 98 000 t kosa ny vokatra azo avy amin’ny jono madinika teto amintsika ny taona 2022. Nankalazaina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny jono madinika.
Nanamarika ny Herinandron’ny fandraharahana maneran-tany ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra tetsy Anosy, nentin’ny Association pour la promotion de l’entrepreneuriat de l’Ecole supérieure polytechnique d’Antananarivo (APEESP). Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny fandraharahana.