“Isika rehetra mitambatra mba hisorohana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy”. Io no lohahevitra maneran-tany mandritra ny “16 jours d’activisme”, fe-potoana natokana hanatanterahana ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy, ny 25 novambra izao.
Manana anjara amin’izany ny Mpanazava eto Madagasikara. Ny fandraisan’anjaran’ny rehetra mandritra io hetsika io no heverina fa hitondra ainga vao amin’ny fiainan’ny vehivavy hafa mba ho tontolo lavitry ny heritsetra no iainan’izy ireo.
Hanokatra ny hetsika ny Mpanazava eto Madagasikara amin’ny 25 novambra izao eo amin’ny IFR Ankadifotsy. Ao anatin’ny fanamarihana rahateo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanafoanana ny herisetra atao amin’ny vehivavy izany.
Ny 28 novambra kosa no hanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpiaro ny zon’ny vehivavy. Ny voalohan’ny volana desambra ny Andro maneran-tany momba ny VIH/Sida. Ny 3 desambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana. Ny 5 desambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo ary ny 10 desambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona. Mandray anjara feno amin’ireo fanamarihana ireo ny Mpanazava eto Madagasikara.
Tatiana A