Antaninandro : mpangalatra anaty fiara voasambotra

Lehilahy iray mpangalatra anaty fiara mipetraka amoron-dalana nosamborin’ny polisy rehefa tratra teo am-pisokirana ny vatoaratra an’ny fiara iray, tetsy Antaninandro, omaly. Malaza ratsy amin’ny fisian’ny mpangalatra anaty fiara teny an-toerana, nanaovana vela-pandrika io olon-dratsy io. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana ny asa ratsiny, ny alin’ny alahady 19 novambra teo .Ankoatr’io, voasambotry ny polisy ny roa lahy nangalatra moto an’ny teratany vahiny iray tao Taolagnaro, afakomaly. Nalain’io lehilahy io sy ny namany ny moto lehibe an’ilay vazaha. Nanao ny fanadihadiana lalina ny polisim-pirenena eo anivon’ny DSRP Anôsy. Nosarihana tany an-trano fonenany ilay lehilahy voalaza ho tompon’antoka. Noterena hilaza ny marina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ity farany. Vokany, lehilahy iray hafa koa tratra niaraka amin’ny moto nangalarin’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: