Antenimierampirenena : Tsy marina ny resaka fanonganana ny filoha

“Tsy misy na fivoriana indray mandeha aza hoe hevitra hanonganana ny filohan’ny Antenimierampirenena, na handravana sy hanovana ny birao maharitra”, hoy ny kestora faharoa izay depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, afakomaly, ma­noloana ny hoe fikasana hanonganana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Raza­namahasoa Christine, noho ny fijoroany hanao fanelanelanana politika amin’ny toe-draharaham-pirenena. Ny fampandehanana ny raharaham-pirenena izao no maika amin’ izay hahazoan’ny vahoaka tombontsoa.
Tsy misy na avy aty amin’ny IRD na antoko hafa mieritreritra hanova ny birao maharitra na hanongana ny filohan’ny Antenimierampirenena fa mijanona ho raiamandreny izy. “Ho anay, ny asa fampandehanan-draharaha napetraky ny vahoaka sy ny fanjakana no tanterahinay”, hoy izy. Samy manana ny eritreriny sy ny fanapahan-keviny ny tsirairay.

R. Nd.

Partager sur: