Miverina mahazo ny ovam-pivoarana talohan’ny Covid-19 ny tontolon’ny fandraharahana. Ho an’ny renivohitra manokana, manodidina ny 1 200 ny orinasa nisokatra nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana septambra teo. Maro anisa amin’izany ireo orinasa misehatra amin’ny lamba, fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena ary ny fiompiana. “Manodidina ny 1 500 kosa ireo orinasa nitsangana talohan’ny valanaretina”, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Economic development board of Madagascar (EDBM), Rafidy Josielle, omaly, tetsy Antaninarenina. Manomboka miverina mandraharaha, hoy izy, ny olona ary manangana orinasa rehefa mahita mpiara-miasa. Tsy mifanalavitra, araka izany, ny isan’ny orinasa natsangan’ny mpandraharaha vahiny sy ny Malagasy mpandraharaha tao anatin’ireo vanim-potoana ireo. Manana andraikitra goavana amin’ny fampandehanana ny orinasa ny EDBM, indrindra amin’ny fikirakirana ireo antontan-taratasy amin’ny fananganana izany.
Guichet unique
Miroso amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny alalan’ny Guichet unique ny EDBM hanafaingana ny fikirakirana ny atontan-taratasy rehetra amin’ny fananganana orinasa. “Ho vita ao anatin’ny 48 ora ny atontan-taratasy manamarina ny fitsanganan’ny orinasa aorian’ny fandoavam-bola sy ny fametrahana ny dosie rehetra momba izany”, hoy Rakotoelison Mialy, mpandrindra ny Guichet unique. Hihena, manaraka izay, ireo taratasy takina sy ny fivezivezena rehetra.
Henintsoa Hani