Tsy misy lalàna sy fototra manery ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hoe tsy maintsy miandry ny 19 janoary ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika voafidy, araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna sady loholona, Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, teny Anosy, omaly, momba ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika vaovao. “Tsy mametra ny daty hanaovana fianianana ny Lalàmpanorenana. Lamina no atao mba hampisy marimaritra iraisana”, hoy izy. Tsy tsara ary ve raha miasa mialoha? Ny vahoaka no andrianina sy tompon’ny fandresena, ary ho azy ny asa atao.
Raha vao vita ny famoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy, tsy hiandrasana ny 19 janoary ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Raha izao voka-pifidianana vonjimaika izao, voafidy fihodinana voalohany izy. Na izany aza, nambarany fa tsy maintsy hajaina ny pitsopitsony amin’ny fe-potoana ikirakiran’ny Ceni ny voka-pifidianana. Toy izany koa ny eny anivon’ny HCC. Ao anatin’izany ny amin’ireo fitarainana momba izay fifidianana izay, tsy ilaozan’izay hisy hitaraina ny voka-pifidianana.
R. Nd.