Ho tratra ihany ny fe-potoana. Efa mihoatra ny antsasa-manila ny voka-pifidianana navoakan’ny eo anivon’ny Ceni, hatramin’ny omaly hariva. Tafakatra 68% mahery ireo biraom-pifidianana naharaisan’izy ireo vokatra tamin’izany ka anisan’ny misongadina fa efa vitsy sisa ireo birao fandatsaham-bato (BV) tsy nahazoana vokatra ho an’ny faritanin’ Antananarivo. Mihoatra ny 44% kosa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, manerana ny Nosy. Izany hoe, efa mihoatra ny 3 tapitrisa ireo mpifidy nandatsa-bato amin’ireo mpifidy voasoratra anarana, 11 tapitrisa mahery amin’io voka-pifidianana io. Tafakatra hatrany amin’ny 80 000 mahery kosa ny vato fotsy ary efa mihoatra ny iray hetsy ny vato maty.
Araka izany, tsy misy fiovana fa mitarika hatrany, nahazo ny vato 59% mahery ny kandidà Andry Rajoelina raha ny fironan’ny voka-pifidianana. Eo amin’ny laharana faharoa manaraka azy, ny kandidà Ravalomanana Marc, amin’ny salanisa maherin’ny 13%. Arahin’ny kandidà, Randrianasoloniaiko Siteny amin’ny ampaham-bato 12% izany. Tafiditra amin’ny laharana fahefatra kosa ny kandidà Rajaonarimampianina Hery. Nibata ny 5% mahery izy hatreto.
Tsiahivina fa efa nambaran’ny filohan’ny Ceni ny hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny 25 novambra izao.
Synèse R.