Tapitra tamin’ny taona 2022 ny drafitrasa andiany fahefatra an’ny fikambanana Fondation Tany Meva. Hifantoka amin’ny fanatsarana ny velon-tena, ny fanatsarana ny sosialy ary ny fiarovana ny tontolo iainana ny andiany fahadimy (2023-2027).
Nampahafantarina ny 21 novambra teo, ny drafitrasan’ny Fondation Tany Meva ho an’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Misahana ny fanohanana ara-bola ireo fikambanana eto Madagasikara misehatra amin’ny tontolo iainana izy ireo, efa nanomboka ny taona 1996. Mifantoka amin’ny lohahevitra lehibe telo ny drafitrasa V. Tohizana ny fiarovana ny loharanon-karena voajanahary, sady manatsara ny lafiny velon-tenan’ny mponina eny ifotony. Hamafisina ny fanarenana ny tontolo ara-boajanahary sy ny rohy voahary ary ny toeram-ponenana voajanaharin’ny biby. Ary, homen-danja maharitra ny loharanon-karena voajanahary mba hisitrahan’ny mponina eny ifotony.
Anisan’ny tanjona hotratrarina ny hanarenana tontolo voajanahary mirefy 1 000 000 ha ato anatin’ny dimy taona. Hampiakarina 20% ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony. Miisa dimy ny toerana hotohanan’ny Fondation Tany Meva, ny tontolo voajanahary any amin’ny tendrony avaratr’i Madagasikara, ny tandavanala Ambositra-Vondrozo (Cofav), ny tontolo voajanahary any amin’ny toerana avo aty afovoantany, ny tontolo voajanahary any amin’ny tapany avaratra andrefana ary ny tandavanala Ankeniheny–Zahamena (CAZ).
Nampitomboina ny tetibola
Nampiakarin’ny Tany Meva ho 25 tapitrisa dolara ny tetibola manontolo hampiasaina ato anatin’ny dimy taona, hanohanana ny fikambanana raha 10,3 tapitrisa tamin’ny drafitrasa IV. Mitentina
700 000 dolara isan-taona no hampiasaina amin’izany raha 330 000 dolara tamin’ny andiany fahefatra.
Miara-miombon’antoka amin’ny Fondation ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM) ny Fondation Tany Meva, hanatanterahana ny asa. Eo koa ny fiaraha-miasany amin’ny banky Mauritius Commercial Bank (MCB).
Njaka Andriantefiarinesy