Halatra finday : lahiantitra nolerana zava-maranitra

Finday miisa roa no namonoan’ny jiolahy telo nisaron-tava ny raim-pianakaviana iray, 63 taona, tao Mandiavato. Olona roa hafa naratra, voavely tamin’ny vatan-kazo.

Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono na­taon’ny jiolahy, ny raim-pianakaviana iray. Tao amin’ ny fokontany Antampontsena, kaominina Mandiavato, distrikan’i Miarinarivo no niseho­an’izany, ny alatsinainy teo. Nodakadakan’ny jiolahy ny varavarana. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy 05 minitra maraina izany. Tsy nisy nahahetsika ny tompon-trano, voahamban’ireo mpanafika. Nita­ky ny vola tamin’ireo lasibatra izy telo lahy. Tetsy ankilany, voadarodaroka ny raim-pianakaviana iray, 63 taona. Voatsindrona zava-maranitra teo amin’ny tratrany, voamafy ny lohany. Nokorontanin’ireo tsy mataho-tody ny trano rehetra nikarohany ny vola.

Voavely vatan-kazo
Tsy namelan’ireo mpandroba, niharan’ny vely vatan-kazo teo amin’ny lohany ny vehivavy sy ny lehilahy iray zanak’ity raim-pianakaviana lasibatra ity. Poa toy izay, nirifatra nandositra ny nahavanon-doza rehefa tsy nahita ny vola tao anatin’ity trano ity. Lasan’izy ireo ny finday roa. Naharay antso ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mandiavato. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana saingy tsy avotra intsony ilay raim-pianakaviana. Be loatra ny ra very taminy. Tsy nahina kosa ny ain’ireo zanany.
Mitohy ny fikarohan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy nahavanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: