Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), tarihin’Andriamiseza Alain. Nambarany fa miandry aloha izy ireo izao.
“Nanome fotoana ny tenako hoe amin’ny volana janoary 2024 isika mihaona. Misy antony ao matoa aho miteny an’izany. Heveriko fa amin’izay vao hita mazava tsara ny valim-pifidianana sy ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Amin’izay isika vao tena afa-kandray andraikitra hoe: inona no hatao”, hoy izy, manoloana ny toe-draharaham-pirenena aorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo. Ahitana ny lesoka sy ny tandrametaka sy ny tsy ara-dalàna rehetra eto amin’ny firenena iny fifidianana iny. Ahazoana mitaratra azy izany, ary ahazoana fitaovana sy porofo entina manohy ny tolona. Izay no ezahin-dry zareo atao sy tohizina.
Ambany ny taham-pahavitrihana
Hita fa ambany ny taham-pahavitrihana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny fifidianana. Nefa tsy milaza ny lalàna malagasy fa maty ny fifidianana, raha olona folo fotsiny, ohatra, no mifidy. Na olona folo aza no tonga mifidy, mandeha hatrany ny fifidianana ary izay vato eo no isaina. Ambonin’izany, araka ny lalàna: tsy misy lanjany koa ny vato maty sy ny vato fotsy. Tsy misy lalàna milaza hoe foana ny fifidianana, raha vitsy kely ny mpifidy fa mandeha hatrany izany. Noho izany, tsy maintsy entina sy sokajina hanohizana ny tolona ny zava-mitranga. Tsy mbola hilamina ny firenena amin’izao zava-mitranga izao.
R. Nd.