Hira evanjelika: tafaraka ny andrarezina

Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny hira fitoriana ny Filazantsara sy ny hira evanjelika amin’ny ankapobeny. Hifarimbona hanatanteraka fitoriana an-kira ny antoko mpihira roa anisan’ny andrarezina amin’izany : ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny Tanora Masina Itaosy. Fampisehoana hotanterahina ny alahady 26 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ankadimbahoaka.
Iraisan’ireto antoko mpihira ireto ny fahaiza-mifehy sy mandrindra ny feo ao anatin’ny fiarahana. Ao koa ny fananana hira mifanaraka amin’ny vanim-potoana diavin’ny fiarahamonina malagasy. Na izany aza, manana ny maha samihafa azy ny tarika tsirairay.
Ho an’ny mpankafy sy mpitia hira evanjelika, mahalana dia mahalana no tafaraka amin’ny fitoriana an-kira tahaka izao ny Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny Tanora Masina Itaosy. Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny jobily faha-25 taonan’ny rantsana fanatanjahantena, eo anivon’ny STK FJKM Ankadimbahoaka ity rindrankira ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: