Hotanterahina amin’ny herinandro, any Fianarantsoa, ny fivorian’ny Komity foibe eo anivon’ny FFKM. Anisan’ny andrasana amin’izany ny ho fanapahan-kevitr’izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena.
Hanomboka ny alarobia 29 novambra ny fivoriambe. Tsy azo ihodivirana ny momba ny hanohizan’ny FFKM ny fandaminana sy ny fanelanelanana ny toe-draharaham-pirenena. “Hodinihina ny ho tohin’ny ezaka efa natombok’ireo filoham-piangonana ary hofaritana amin’izany ny dingana manaraka amin’ny andraikitra horaisina”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM. Nanteriny fa tsy mbola miala an-daharana ary tsy kivy manoloana izao toe-draharaha izao ny fiangonana. Vonona ny handray ny andraikiny manoloana ny tsy fitovian-kevitra, ahina ho tonga amin’ny savorovoro sy korontana izy ireo. “Tsy sakana ho an’ny FFKM na efa aty aorian’ny fahavitan’ny fifidianana aza izany”, hoy ihany izy.
Niala an-daharana
Etsy andaniny, tsy eto an-toerana fa namita iraka ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Antony nampiato ny fanelanelanana tokony hiarahana amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, manoloana ny olana politika tato ho ato. Eo koa ny niatrehana ny fifidianana filoham-pirenena.
Tsiahivina fa nanao fanambarana amin’ny fialany an-daharana tsy ho anisan’ireo nanara-maso ny fifidianana ny Andrimaso FFKM, iray andro nialoha ny fifidianana. Na izany aza, mitohy ny asa amin’ny maha sehatra fitaizana ny olom-pirenena azy. Eo koa anefa ny mbola fahavononan’izy ireo hanohy ny fanaraha-maso amin’ny fifidianana ho avy. Araka izany, andrasana ny ho lalan-kizoran’ny FFKM manomboka amin’ny herinandro.
Synèse R.