Masoivoho amerikanina : nahazo boky ny akany fitaizana zaza kamboty

Boky, mirakitra karazana haren-tsaina, no natolotry ny masoivoho amerikanina ireo akany fitaizana zaza kamboty sy toeram-pianarana vitsivitsy eto Antananarivo, omaly.
Nankasitraka ny finiavan’ny mpitantana ireo toeram-panabeazana ireo ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, noho ny vokatsoa azon’ireo ankizy sy mpianatra amin’ny fanabeazana omena azy. “Matoky aho fa ho tonga eny am-pelatanan’ny mpianatra amin’ireo akany sy toeram-pianaranareo ireo boky ireo…”, hoy ny masoivoho.
Tafiditra ao anatin’ny ezaka atao amin’ny fampiroboroboana ireo soatoavina momba ny fanabeazana sy ny kolontsaina iraisan’i Etazonia sy i Madagasikara izao hetsika fizarana boky izao.
Marihina fa misy ihany koa ireo karazam-boky sy tahirin-kevitra any amin’ireo American Corners samihafa eto Madagasikara sy ny site web American English https://americanenglish.state.gov/ izay afaka ampiasain’ny rehetra maimaimpoana. Misokatra ho an’ny rehetra izany, indrindra ireo mpianatra manao fikarohana sy fandalinana eny amin’ny lycée sy ny oniversite.

Tatiana A

Partager sur: